Genesis 49:7
Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin’ i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 19:1Ary ny loka faharoa dia azon’ i Simeona, dia ny firenena taranak’ i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin’ ny lovan’ ny taranak’ i Joda.
Joshua 21:1Ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Levita dia nanatona an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely
Joshua 21:8Dia nomen’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita tamin’ ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain’ i Jehovah nandidian’ i Mosesy.
2 Samuel 13:22Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin’ i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan’ i Absaloma izy noho ny nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
1 Chronicles 4:39Ary nankany amin’ ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin’ ny ilany atsinanana amin’ ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny.
Proverbs 26:24Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;