Genesis 49:8
Ry JODA, hoderain’ ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin’ ny vozon’ ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 29:35Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’ i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.
Genesis 42:6Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin’ i Josefa ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
Genesis 46:12Ary ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
Numbers 10:14Ary ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak’ i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
Deuteronomy 33:7Ary ny amin’ i JODA dia izao, hoy izy: Jehovah ô, mihainoa ny feon’ i Joda, Ka ento ho amin’ ny olony izy. Ny tanany no hiadiany ho azy, Ka manampia azy Hianao hamelezany ny mpandrafy azy.
Joshua 15:20Izao no lovan’ ny firenena taranak’ i Joda araka ny fokony: