Bokin'i Habakoka 3:4
Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin’ ny tànany; Ary ao no fieren’ ny heriny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Eo alohany no andehanan’ ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.
Read all of Bokin'i Habakoka 3
Cross References
Exodus 13:21Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.
Nehemiah 9:12Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany.
Psalms 104:2Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
Isaiah 60:19Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
Ezekiel 43:2Ary, indro, tamy ny voninahitr’ Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon’ ny voninahiny.
1 Timothy 6:16Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’ olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.