Epistily ho an'ny Hebreo 13:3
Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin’ ny tena koa ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 13
Cross References
Genesis 40:23Kanjo tsy mba nahatsiaro an’ i Josefa ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
Jeremiah 38:7Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an’ i Jeremia tao amin’ ny lavaka (nipetraka teo amin’ ny vavahadin’ ny Benjamina ny mpanjaka androtr’ iny),
Matthew 25:43nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-tranomaizina Aho, fa tsy mba novangianareo.
Acts 24:23Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an’ i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin’ ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.
Romans 12:15Miaraha mifaly amin’ izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’ izay mitomany.
Galatians 6:1Ry rahalahy, raha misy olona azon’ ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.