Epistily ho an'ny Hebreo 13:8
Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Jesus Christ the same yesterday, and to day, and for ever.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 13
Cross References
Psalms 90:2Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.
Psalms 102:27Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
Isaiah 41:4Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin’ ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin’ ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
Malachi 3:6Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’ i Jakoba, dia tsy fongana.
2 Corinthians 1:19fa ny Zanak’ Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.
James 1:17Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midìna avy amin’ ny Rain’ ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ ny fihodinana.