Bokin'i Hosea 13:4
Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin’ ny tany mampangetaheta.
Cross References
Exodus 20:2Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana.
Isaiah 43:3Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao.
Isaiah 43:11Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
Isaiah 45:21Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
Hosea 12:10Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ ny fotoam-pivavahana.
Acts 4:12Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.