Bokin'i Isaia 29:21
Dia ireo manameloka olona amin’ ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin’ ny lainga foana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Proverbs 28:21Tsy mety raha mizaha tavan’ olona; Kanefa na dia amin’ ny sombin-kanina ihany aza dia sahin’ ny olona hanotana.
Isaiah 5:23Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin’ ny marina!
Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
Jeremiah 26:2Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, ka lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon’ i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
Amos 5:10Halany eo am-bavahady izay mananatra, ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.
Micah 2:6Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin’ ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!