Bokin'i Isaia 32:2
Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ ny rivotra sy ho fialofana amin’ ny ranonoram-baratra; Ho ranovelona ao amin’ ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ ny tany mahana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.
3Ary tsy hikimpy ny mason’ izay mahita, ary ny sofin’ izay mandre dia hihaino.
Cross References
Psalms 32:7Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. [Sela.]
Psalms 143:9Jehovah ô, vonjeo amin’ ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
Isaiah 4:5Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan’ ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin’ ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin’ ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin’ ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo
Isaiah 7:14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’ anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Isaiah 26:20Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja Mandra-pahalasan’ ny fahatezerana.