The Bible Software
Bokin'i Isaia · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'i Isaia 20

1Tamin’ ny taona nankanesan’ i Tartana tany Asdoda, raha nirahin’ i Sargona, mpanjakan’ i Asyria, izy ka namely an’ i Asdoda ary nahafaka azy,

2tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Jehovah teny an’ Isaia, zanak’ i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin’ ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin’ ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.

3Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan’ Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin’ i Egypta sy Etiopia,

4dia ho toy izany no hitondran’ ny mpanjakan’ i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr’ i Egypta.

5Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely noho ny amin’ i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.

6Ary amin’ izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin’ ny mpanjakan’ i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?

← Bokin'i Isaia 19Read In The App, Free →Bokin'i Isaia 21 →

Study Bokin'i Isaia 20

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566