Bokin'i Isaia 45:13
Izaho no nanaitra azy io tamin’ ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 36:23Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.
Psalms 65:5Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ ny tranonao izahay dia ny zava-masìna ao amin’ ny tempolinao.
Isaiah 41:2Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ ny fahamarinana tamin’ ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka?
Isaiah 42:6Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
Isaiah 46:11Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
Isaiah 48:15Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.