Isaiah 48:21
Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
Cross References
Numbers 20:11Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
Nehemiah 9:20Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin’ ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;
Psalms 78:20Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ ny olony va Izy?
Isaiah 30:25Ary any amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin’ ny andro lehibe famonoana, dia amin’ ny andro hianjeran’ ny tilikambo.
Isaiah 41:17Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
Isaiah 43:20Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin’ ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko.