Bokin'i Isaia 5:21
Lozan’ izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Woe unto them that are wise in their own eyes, and prudent in their own sight!
In Context
Cross References
Job 11:12Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.
Proverbs 26:12Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
Isaiah 10:13Fa izy manao hoe: Tamin’ ny herin’ ny tanako no nanaovako izany, sy tamin’ ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin’ ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka;
Romans 1:22Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
Romans 12:16Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.