Bokin'i Isaia 65:13
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 34:10Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
Proverbs 13:25Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon’ ny ratsy fanahy.
Isaiah 41:17Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
Isaiah 61:7Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
Isaiah 66:14Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan’ i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin’ ny fahavalony kosa Izy.
Malachi 3:18Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’ Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.