James 5:4
Indro, ny karaman’ ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ ny sofin’ ny Tompon’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 2:23Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny Zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’ Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
Exodus 22:22Fa raha mampahory azy na amin’ inona na amin’ inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
Leviticus 19:13Aza manao an-keriny amin’ ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’ izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
Job 7:2Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany,
Job 31:38Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
Psalms 9:12Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany.