Bokin'i Jeremia 10:6
Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin’ ny hery ny anaranao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Forasmuch as there is none like unto thee, O LORD; thou art great, and thy name is great in might.
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 10
Cross References
Exodus 9:14Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ ny tany rehetra.
Deuteronomy 32:31Fa tsy mba mitovy amin’ ny Vatolampintsika ny vatolampin’ ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
2 Samuel 7:22Koa amin’ izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren’ ny sofinay.
Nehemiah 4:14Koa eo amin’ izay fitoerana andrenesanareo ny feon’ ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
Psalms 35:10Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin’ izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin’ izay mamabo azy?
Psalms 86:8Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.