Bokin'i Jeremia 15:14
Ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin’ ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, ka handoro anareo no irehetany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 15
Cross References
Deuteronomy 28:25Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany ianao.
Deuteronomy 28:64Dia haelin’ i Jehovah any amin’ ny firerena rehetra hatramin’ ny faran’ ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
Deuteronomy 32:22Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza.
Isaiah 42:25Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin’ ny fony
Jeremiah 4:4Miforà ho an’ i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
Jeremiah 15:4Ary manolotra azy ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra amin’ ny tany Aho noho ny amin’ i Manase, zanak’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema.