Bokin'i Jeremia 25:12
Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan’ i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin’ ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 25
Cross References
Deuteronomy 32:35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
Ezra 1:1Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Isaiah 13:19Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan’ ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora;
Isaiah 15:6Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
Isaiah 46:1Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin’ ireo biby reraka.
Jeremiah 25:14Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ ny tànany avy izy.