Bokin'i Jeremia 30:11
Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Fa izao no lazain’ i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.
Read all of Bokin'i Jeremia 30
Cross References
Exodus 34:7mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Psalms 6:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nampiarahina amin’ ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida.
Isaiah 27:7Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
Jeremiah 1:8Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
Jeremiah 4:27Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
Jeremiah 5:18Nefa na dia amin’ izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.