Bokin'i Jeremia 38:20
Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin’ i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon’ i Jehovah ahy:
Read all of Bokin'i Jeremia 38
Cross References
2 Chronicles 20:20Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’ i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
Proverbs 7:2Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
Jeremiah 11:4Izay nandidiako ny razanareo tamin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
Daniel 4:27Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan’ ny fanjakana tamin’ ny haben’ ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
Amos 5:6Mitadiava an’ i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ ny taranak’ i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
2 Corinthians 5:11Koa amin’ izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin’ Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin’ ny fieritreretanareo koa.