Bokin'i Jeremia 38:21
Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon’ i Jehovah ahy:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But if thou refuse to go forth, this is the word that the LORD hath shewed me:
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 38
Cross References
Exodus 16:28Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko?
Numbers 24:13Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volamena eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin’ i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin’ ny saiko; izay holazain’ i Jehovah ihany no holazaiko?
Job 23:13Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ ny fanahiny dia ataony.
Proverbs 1:24Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
Jeremiah 5:3Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
Jeremiah 26:15Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin’ ity tanàna ity ary amin’ ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.