Bokin'i Jeremia 42:14
fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin’ ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon’ ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 42
Cross References
Exodus 17:3Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
Numbers 11:5Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin’ ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.
Numbers 14:4Dia nifampitaona hoe izy: Andeha hifidy mpitarika isika ka hiverina any Egypta.
Deuteronomy 17:16Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany lalana izany intsony.
Isaiah 30:2Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Isaiah 31:1Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.