Bokin'i Jeremia 48:12
Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Isaiah 16:2Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin’ ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin’ i Moaba ao amin’ ny fitàna any Arnona.
Jeremiah 14:3Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin’ ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.
Jeremiah 25:9dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin’ ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.
Jeremiah 48:8Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Jeremiah 48:15Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin’ ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Ezekiel 25:9Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin’ ny Moaba, hatrany amin’ ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,