Bokin'i Jeremia 48:15
Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin’ ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an’ ady izahay?
16Efa antomotra ny loza hanjo an’ i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
Read all of Bokin'i Jeremia 48
Cross References
Psalms 24:8Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
Isaiah 34:2Fa Jehovah dia tezitra amin’ ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin’ ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.
Jeremiah 46:18Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany: Tahaka an’ i Tabara amin’ ny tendrombohitra, sy tahaka an’ i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.
Jeremiah 48:8Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Jeremiah 50:34Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.
Jeremiah 51:57Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.