Bokin'i Jeremia 51:14
Jehovah, Tompon’ ny maro, nianiana tamin’ ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Jeremiah 44:26Koa henoinareo ny tenin’ i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin’ ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin’ ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin’ ny vavan’ ny lehilahy amin’ ny Joda eran’ ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.
Jeremiah 49:13Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
Jeremiah 51:27Manangana faneva eny amin’ ny tany; Mitsofa anjomara any amin’ ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan’ i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
Joel 2:3Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
Amos 6:8Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin’ ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan’ i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin’ izay rehetra ao anatiny.
Hebrews 6:13Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’ i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ ny tenany Izy