Bokin'i Jeremia 51:48
Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin’ i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Psalms 58:10Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
Isaiah 44:23Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.
Isaiah 49:13Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ ny olony mahantra.
Jeremiah 50:9Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an’ i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy miverina foana.
Jeremiah 51:10Nasehon’ i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan’ i Jehovah Andriamanitsika.
Revelation 16:4Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.