Bokin'i Jeremia 52:19
Ary nentin’ ny lehiben’ ny mpiambina koa ny lovia sy ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana sy ny fandraofan-davenona sy ny fanaovan-jiro sy ny lovia kely sy ny kapoaka na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentin’ ny lehiben’ ny mpanapaka avokoa,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 52
Cross References
Leviticus 26:12Ary handeha eo aminareo Aho ka ho Andriamanitrareo; ary ianareo ho oloko.
1 Kings 7:49ary ny fanaovan-jiro, dimy amin’ ny ankavanana ary dimy amin’ ny ankavia, teo anoloan’ ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
2 Chronicles 4:6Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin’ ny ankavanana, ary ny dimy tamin’ ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan’ ny mpisorona.
Revelation 8:3Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masìna rehetra eo ambonin’ ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana.