Bokin'i Joba 34:26
Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ ny ratsy fanahy ireo eo imason’ ny vahoaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He striketh them as wicked men in the open sight of others;
In Context
25Koa hita amin’ izany fa fantany ny asan’ ireo, ka dia mamono azy amin’ ny alina ho torotoro Izy.
27Izao no nialan’ ireo tamin’ Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
Cross References
Exodus 14:30Izany no namonjen’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ ny Egyptiana; ary hitan’ ny Isiraely teny amoron’ ny ranomasina ny fatin’ ny Egyptiana.
Deuteronomy 21:21Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
Psalms 58:10Dieny tsy mbola mafanan’ ny afon-tsilo ny vilaninareo, aoka ho entin’ ny tafio-drivotra ireny, na ny lena na ny maina.
Isaiah 66:24Ary hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ ny olona izay efa niodina tamiko; Fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, Ary hataon’ ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.
1 Timothy 5:20Izay manota dia anaro eo anatrehan’ ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
Revelation 18:9Ary ny mpanjakan’ ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;