Bokin'i Joba 7:15
Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
So that my soul chooseth strangling, and death rather than my life.
In Context
14Dia mampitahotra ahy amin’ ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry;
16Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
Cross References
2 Samuel 17:23Ary nony hitan’ i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin’ ny fasan-drainy.
Job 3:22Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
Ecclesiastes 2:17Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.
Jonah 4:8Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan’ i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.