John 1:29
Nony ampitso dia nahita an’ i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin’ i Jordana, izay nanaovan’ i Jaona batisa.
30Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
Cross References
Exodus 12:3Mitenena ianareo amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ ny andro fahafolo amin’ ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ ondry iray avy no ho an’ ny isan-trano;
Leviticus 10:17Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ ny fitoerana masìna ny fanatitra noho ny ota? fa masìna dia masìna izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
Numbers 7:39vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Numbers 18:23Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
Numbers 28:3Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin’ ny afo, izay haterinareo ho an’ i Jehovah: zanak’ ondry roa isan’ andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva
Isaiah 53:11Noho ny fisasaran’ ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ ireo.