Filazantsara araka an'i Jaona 1:3
Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
All things were made by him; and without him was not any thing made that was made.
In Context
2Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany.
4Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 1
Cross References
Genesis 1:1Tamin’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
Psalms 33:6Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
Isaiah 45:12Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.
John 1:10Teo amin’ izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
1 Corinthians 8:6nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.
Colossians 1:16fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;