Filazantsara araka an'i Jaona 10:12
Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
13mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 10
Cross References
Isaiah 56:10Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
Zechariah 11:16Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
Matthew 10:16Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.
Acts 20:29Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry.
1 Timothy 3:8Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
Titus 1:7Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an’ Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,