Filazantsara araka an'i Jaona 10:41
Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ ity Lehilahy ity dia marina avokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 10
Cross References
Matthew 3:11Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
Matthew 14:2ka hoy izy tamin’ ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin’ ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.
Luke 5:1Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ ny Farihin’ i Genesareta Jesosy;
Luke 12:1Ary tamin’ izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin’ ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
John 1:29Nony ampitso dia nahita an’ i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!
John 2:11Izany no nataon’ i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.