Filazantsara araka an'i Jaona 12:19
Ary tamin’ izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ary izany koa no nitsenan’ ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
20Ary nisy Grika sasany tamin’ izay niakatra hivavaka tamin’ ny andro firavoravoana,
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 12
Cross References
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Isaiah 27:6Amin’ ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ ny fahavokarany.
Luke 19:47Ary nampianatra isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
John 11:47Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
Acts 4:16ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy, ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka tsy azontsika lavina.
Acts 17:6Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an’ i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin’ ny lehiben’ ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;