Filazantsara araka an'i Jaona 16:13
Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
14Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 16
Cross References
John 3:32koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
John 8:38Izay efa hitako tamin’ ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin’ ny rainareo.
John 14:6Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako.
John 14:26fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masìna, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
Acts 2:17Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
Acts 20:23afa-tsy izay ambaran’ ny Fanahy Masìna amiko amin’ ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.