Bokin'ny Ohabolana 14:10
Ny fo no mahalala ny fangidian’ ny alahelony; Ary tsy raharahan’ ny olon-kafa ny hafaliany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The heart knoweth his own bitterness; and a stranger doth not intermeddle with his joy.
In Context
9Ny adala ihomehezan’ ny fanati-panonerana; Fa ao amin’ ny marina no misy fankasitrahana.
11Ravana ny tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain’ ny marina.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 14
Cross References
1 Samuel 1:10Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin’ i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
2 Kings 4:27Ary rehefa tonga tany amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
Job 6:4Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
Job 9:18Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
Psalms 25:14Ny fisainan’ i Jehovah asehony amin’ izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.
Proverbs 18:14Ny faharariany dia zakan’ ny fanahin’ ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?