Filazantsara araka an'i Jaona 15:4
Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 15
Cross References
Song of Solomon 8:5Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin’ ny malalany? Teo ambanin’ iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian’ ilay niteraka anao.
Ezekiel 15:2Ry zanak’ olona, inona no ihoaran’ ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan’ ny hazo any an’ ala?
Luke 8:15Fa ireo teny amin’ ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ ny faharetana.
John 6:68Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay.
John 14:20Amin’ izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
John 17:23Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.