Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 1:30
Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’ i Kristy Jesosy, Izay nataon’ Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’ Andriamanitra.
31mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 1
Cross References
Psalms 71:15Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
Proverbs 2:6Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
Isaiah 45:17Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’ i Jehovah Amin’ ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
Isaiah 54:17Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
Jeremiah 33:16Amin’ izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
Daniel 9:24Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masìna, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masìna indrindra.