Filazantsara araka an'i Jaona 18:28
Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin’ i Kaiafa ho ao anati-rova; ary maraina koa ny andro tamin’ izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno.
29Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 18
Cross References
Deuteronomy 16:2Ary vonoy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman’ osy sy omby, eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah hampitoerany ny anarany.
2 Chronicles 35:8Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an’ ny olona sy ho an’ ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon’ Andriamanitra, nanome ondry aman’ osy enin-jato amby roa arivo ho an’ ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
Psalms 35:16Naman’ ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.
Proverbs 4:16Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
Jeremiah 7:8He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
Amos 5:21Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masìna.