John 20:28
Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Thomas answered and said unto him, My Lord and my God.
In Context
29Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
Cross References
Psalms 45:11Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
Psalms 118:24Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Isaiah 40:9Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
Malachi 3:1Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin’ ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Luke 24:52Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.