Filazantsara araka an'i Jaona 3:12
Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 3
Cross References
John 1:1Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
John 3:5Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy.
John 3:13Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra.
1 Corinthians 2:7fa milaza ny fahendren’ Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’ Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ ny nanaovana izao tontolo izao;
1 Timothy 3:16Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ ny nofo, nohamarinina tao amin’ ny Fanahy; hitan’ ny anjely, notorina tany amin’ ny jentilisa, ninoana teny amin’ izao tontolo izao, nakarina tamin’ ny voninahitra.
1 Peter 2:1Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,