Epistily voalohany nosoratan'i Petera 2:1
Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Petera 2
Cross References
1 Samuel 18:8Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an’ i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
Psalms 32:2Sambatra ny olona izay tsy isain’ i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.
Psalms 37:1Nataon’ i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
Proverbs 3:31Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
Proverbs 24:1Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
Isaiah 2:20Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany