Filazantsara araka an'i Jaona 6:12
Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 6
Cross References
Nehemiah 8:10Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masìna ho an’ ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’ i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
Proverbs 18:9Ary izay malaina amin’ ny asany Dia rahalahin’ ny mpanimba.
Matthew 15:37Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.
Mark 8:8Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
Luke 9:17Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin’ ny folo harona.
Luke 16:1Ary hoy koa Jesosy tamin’ ny mpianatra: Nisy olona manan-karena anankiray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ olona taminy fa mandany ny fananany.