Filazantsara araka an'i Jaona 9:39
Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’ izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
38Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 9
Cross References
Isaiah 6:9Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin’ ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra.
Isaiah 42:18Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
Jeremiah 1:9Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
Matthew 11:5Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
Luke 1:79Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy ao amin’ ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny lalam-piadanana.
Luke 4:18Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,