Bokin'i Jona 4:2
Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin’ ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’ ny loza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Fa tsy sitrak’ i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.
3Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.
Cross References
Exodus 32:14Ary Jehovah dia nanenina ny amin’ ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
Numbers 14:18Mahari-po Jehovah sady be famindram-po, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Psalms 78:38Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
Psalms 86:15Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
Psalms 145:8Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
Jeremiah 20:7Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.