Bokin'i Josoa 1:17
Araka ny nihainoanay an’ i Mosesy tamin’ ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’ i Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 27:20Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra azy.
Joshua 1:5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
Joshua 4:14Tamin’ izany andro izany no nanandratan’ i Jehovah an’ i Josoa teo imason’ ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’ i Mosesy, tamin’ ny andro rehetra niainany.
1 Samuel 20:13dia hataon’ i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain’ ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin’ ny raiko anie Jehovah.
1 Kings 1:37Toy ny nomban’ i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an’ i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan’ i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan’ i Solomona.
Psalms 20:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.