Bokin'i Josoa 18:7
Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin’ i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan’ i Jordana, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 18:23Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin’ ny Zanak’ Isiraely izy.
Deuteronomy 3:12Ary io tany io dia azontsika tamin’ izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan’ i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
Deuteronomy 10:9Izany no tsy ananan’ ny Levita anjara na lova eo amin’ ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrao taminy.
Joshua 12:6Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, sy ny Zanak’ Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ho lovan’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
Joshua 13:14Ny firenen’ i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
Joshua 13:17dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin’ ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona