Bokin'i Josoa 19:18
Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And their border was toward Jezreel, and Chesulloth, and Shunem,
In Context
17Ary ny loka fahefatra dia azon’ Isakara, dia ny taranak’ Isakara isam-pokony.
19sy Hafraima sy Siona sy Anaharata
Cross References
Joshua 17:16Dia hoy ny taranak’ i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin’ ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin’ ny tany lemaka Jezirela.
2 Samuel 2:9dia nampanjaka azy tamin’ i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.
1 Kings 2:17Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin’ i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy), mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
1 Kings 21:1Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin’ ny lapan’ i Ahaba, mpanjakan’ i Samaria.
2 Kings 4:8Ary tamin’ ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
2 Kings 8:29Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.