Bokin'i Josoa 24:19
Ary hoy Josoa tamin’ ny vahoaka: Tsy mahay manompo an’ i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masìna Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 20:5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Exodus 34:7mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
Leviticus 10:3Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
Leviticus 11:45Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho.
Leviticus 20:26Ary aoka ho masìna ho Ahy ianareo, satria masìna Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
Ruth 1:15Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin’ ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.