The Bible Software
bible.software › Bokin'i Josoa › Bokin'i Josoa 9 › Bokin'i Josoa 9:24

Bokin'i Josoa 9:24

Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’ i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And they answered Joshua, and said, Because it was certainly told thy servants, how that the LORD thy God commanded his servant Moses to give you all the land, and to destroy all the inhabitants of the land from before you, therefore we were sore afraid of our lives because of you, and have done this thing.

In Context

23Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an’ ny tranon’ Andriamanitro ianareo.

25koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.

Read all of Bokin'i Josoa 9

Cross References

Exodus 23:31Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.

Numbers 33:55Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ ny tany, dia ho lay amin’ ny masonareo sy ho tsilo amin’ ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin’ ny tany izay onenanareo izy;

Deuteronomy 7:23Fa hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.

Joshua 2:9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’ i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ ny tany noho ny tahotra anareo.

Joshua 6:21Ary naringany tamin’ ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman’ osy, na boriky.

Joshua 10:2dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin’ ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Josoa 9:24

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Josoa 9:23Bokin'i Josoa 9Bokin'i Josoa 9:25 →