Bokin'ny Mpitsara 21:19
Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’ i Jehovah any Silo, izay avaratr’ i Betela, atsinanan’ ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’ i Lebona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 21
Cross References
Leviticus 23:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny amin’ ny fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masìna, dia izao no izy:
Leviticus 23:6Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’ i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.
Leviticus 23:34Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana fahafolo izany no hiantombohan’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an’ i Jehovah.
Numbers 28:16Ary ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany dia Paskan’ i Jehovah.
Numbers 29:12Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito dia hisy fivoriana masìna ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah.
Deuteronomy 16:10Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao;